Actualités

Laboratoaran’ny asa vaventy Kasaina havadika ho orinasa tsy miankina


  • Talata 09 Novambra 2021

Nanomboka nitokona teo an-tokontaniny tetsy Alarobia omaly vao maraina ireo mpiasa eo anivon’ny laboratoara nasionaly momba ny asa vaventy na LNTPB


. Ireo miisa 4 arantirantinay amin’ny sora-baventy ireo no tena marary, hoy izy ireo, fa mbola misy maromaro. Tsy nahitam-bahaolana ny fifanatonana tamin’ireo lehibe mpampiasa. An-dalam-pahasimbana ny orinasa. Mikasa hamadika ny orinasa ho tsy miankina ny mpampiasa. Orinasa mifampiankina amin’ny minisiteran’ny asa vaventy ny LNTPB. Orinasam-panjakana! Mampiakatra araka izay tiany ny mpifaninana ry zareo mba tsy hisian’ny mpanjifa hanatona ny LNTPB. Tsy miafina intsony amin’ny mpiasa ny toetra ratsin’ny mpampiasa. Isany ny fanaovana antsojay, indrindra, ireo tsy mitovy hevitra. Misy delegen’ny mpiasa lany tamin’ny fifidianana ny 4 oktobra nefa noroahana nialoha io lisitra io satria tsy mitovy hevitra amin’ny mpampiasa. Nisy delege lany niaraka tamin’io koa nametra-pialana ny 4 novambra. Misy koa ireo mpiasa hamoronana dosie hanenjehana azy. Hatramin’ny taona 2003 no efa nisy tsy fanarahan-dalana satria nisy ny fifanarahambe iombonana izay mahakasika ny tombontsoan’ny mpiasa rehetra. Tsy mbola misy tanteraka io na iray aza. Olona efa retirety ny tale jeneraly, izany hoe, efa niasa 7 taona tato ary efa fakana hevitra na “consultant”. Mbola eo izy nefa hatramin’izao. Miparitaka manerana ny nosy toa an’Ambilobe, Bas Mangoky, Faratsiho sy hafa be dia be ireto mpiasa ireto. Vatsiana ireny olona mandeha ireny nefa ankehitriny dia lazain’ny mpampiasa fa hananan-drizareo “reste en caisse” na vola noho izany ny mpiasa. 54 mianadahy izahay no enjehiny amin’ny lalana noho izany, hatramin’ireo efa retirety sy maty. Mitaky ny fanoloana ny mpitantana rehetra izay efa tokony ho retirety daholo izahay. Misy fividianan-javatra tsy mifanaraka amin’ny zavatra azo ato. Tsy ekena toy ny fikasana hamadika ity orinasam-panjakana ity ho tsy miankina izany. Hanananay porofo fa ny mpampiasa aza no hananan’ny mpiasa vola. 60 taona niainana ny LNTPB dia izao sisa no niafarany. Be ny volanay tsy voaloha any amin’ny minisitera any ka aloavy fa amina miliara izy any, hoy hatrany izy ireo. Manome 48 ora ny fitondram-panjakana moa ireto mpiasa ireto hamahana olana. Tsy mbola nety naneho hevitra moa ny tale jeneralin’ny orinasa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT