Actualités

La Haute ville sy Andavamamba Amidy 80.000 Ar ny iray grama amin’ny heroine


  • Zoma 20 Mey 2022

Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny La Haute ville sy Andavamamba afak’omaly alarobia 18 mey noho ny fivarotana heroine fantatry

ny maro amin’ny anarana hoe “rôrô”. Loharanom-baovao no azon’ny Polisin’ny STUP mahakasika ny fisiana lehilahy monina eny La haute ary mivarotra heroine ao an-tranony. Nanokatra fanadihadiana ny Polisy ka voaporofo fa misy olona mifamezivezy matetika ao amin’ilay toerana voatondro. Tokony ho tamin’ny 07 ora maraina no niditra tao an-toerana ny Polisy ka lehilahy iray, 24 taona, mpividy, sy lehilahy iray hafa,31 taona sady mpivarotra no tra-tehaky ny Polisy. Rehefa nosavaina ny tranony dia rongony 11 fonosana sy heroina milanja 20 grama no tratra. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa eny amin’ny IVO Antohomadinika no fividianany ny heroina, ka 80.000 ariary ny 01 grama, ary amidiny 90.000 ariary indray izany avy eo. Mbola ao amin’ny IVO ihany koa ny fividianany ireo rongony ka 1000 ariary ny fonosana iray, ary amidiny 1500 ariary indray izany avy eo. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro kosa no voasambotra teo Andavamamba ny lehilahy miisa 02 mbola teo am-pivarotana heroine hatrany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana azy ireo fa efa amam-bolana maro izy ireo no mivarotra ity rongony mahery vaika ity eny amin’ny faritra Andavamamba sy Isotry iny. Heroina 01 grama sy kokoty 02 no tratran’ny Polisy teny amin’izy ireo. Niaiky izy ireo fa azy ireo heroina tratra ireo. Vidian’izy ireo 80.000 ariary ny 01 grama ary izy ireo indray no mitsinjara izany amina kokoty kely avy eo. Natolotra ny fampanoavana ny omaly alakamisy izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

Hijery ny tohiny
FTT