Hanokatra toeram-pivarotana any Mayotte ny orinasa La Gastronomie Pizza ato ho ato rehefa tsy nahomby ny tatsy amin’ny nosy Maorisy, entina hampahafantarana ireo karazana sakafo vita Malagasy. Hiezaka hanenika an’i Madagasikara ihany koa izy ireo ao anatin’ny telo taona ho avy. Nandritra ny fambolen-kazo izay notanterahin’izy ireo teny Imerintsiatosika ny alahady teo no nahafantarana izany. Hetsika izay entin’izy ireo handraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena, amin’ny alalan’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana. Zanakazo 4.000 fototra no novolena tamina velaran-tany 2 ha. Hitohy isan-taona ny hetsika raha araka ny fanazavan’ny sefo Mbinina, filoha mpanorina ny orinasa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.