31 taona taorian’ny raharaha 1 aogositra 1985, tsy mbola lefy ny kung fu. Porofon’izany ny fijoroan’i Grand Maître Avoko
Rakotoarijaona, zanak’i Pierre Be mamelo-maso ny asa nataony. Hisy ny fihaonamben’ny mpiangaly ny haiady kung fu Wisa tarihin’i Grand Maître Avoko hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ny alahady 14 aogositra ho avy izao. Tanjona amin’ity fihaonana ity ny fampivondronana ireo mpikatroka maro raha ny fanazavan’ity mpitarika ity, solontena 10 000 avy amin’ny faritra 22 no ho tonga amin’io ary tena hampiseho ny heriny mandritra izany ny kug fu Wisa. Maro ireo solontena avy any amin’ny faritra ho avy hanatrika ary hitondra ny heviny amin’ny fanatsarana ny fikambanana. Hotanterahana amin’io ihany koa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ka hifantenana an’ireo hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboara erantany hatao any Italia amin’ny volana oktobra. Hotanterahana eo ambany fiahian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ny hetsika rehetra ary hosalorana ny mariboninahitra Chevalier du Mérite sportif ny Grand Maître Avoko. Nambaran’ity farany fa mitohy hatrany ny fandraisana anjaran’ny kung fu eo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny famolavolana ny zanaka Malagasy ho olom-banona. Fahombiazana hatrany koa ny hita tamin’ny hetsika niarahan’ny kung fu sy ny fokonolona tamina faritra maro manerana ny nosy ary mbola hotohizana sy hohatsaraina hatrany izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.