Tafakatra 52 isa ireo vehivavy sy renim-pianakaviana Malagasy miasa any Koweit no nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana.
Noho ny tsy fananan’izy ireo taratasy mazava hahafahany mijanona any an-toerana intsony no anton’izany. Misy ihany koa ireo efa noroahin’ny mpampiasa azy hatramin’ny ela ka tsy manana saran-dalana hodiana….Raha araka ny fantatra anefa dia tsy mahazaka olona afa-tsy 2 isan-kerinandro ireo fiaramanidina avy any an-toerama mody eto an-tanindrazana hany ka mahatsiaro mijaly fatratra izy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny olana mianjady amin’izy ireo araka izany izy ireo. Raha hiandry toerana roa isan-kerinandro mantsy izy ireo vao tafody eto an-tanindrazana dia mety hahatratra amam-bolana maro vao tapitra tafaverina eto an-tanindrazana avokoa. Raha araka ny fantatra moa dia misy amin’izy ireo no efa tsy salama ka mangataka fanampiana sy tolo-tanana toy ny fandefasana fiaramanidina manokana mba haka sy hitatitra azy ireo.
Pati
Legende : Mafy ho an’ireo vehivavy Malagasy miasa any amin’ny tany Arabo toa an’i Koweit ny miverina eto amintsika
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.