Nisy akom-baovao azo omaly hariva, fa saika tra-doza tetsy Ankadimbahoaka ny tandrozotram-piara nitondra sy nanaraka ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian.
Niala tao an-tranony teo Ankaditoho hiazo an'i Mahazoarivo, ka teo amin'ny « passage à niveau » Ankadimbahoaka hiazo an'Androndra no nihoraka ny olona fa efa akaiky ny lamasinina avy any Ambohimanambola, kanefa ny kortezy mandeha, ny Polisy manao PR (Police Routière) anefa efa nanajanona ny fiara sy ny olona mazava, raha ny fanazavana. Matetika ary tsy fahita firy moa izany kortezy mitondra manam-pahefana izany no hijanonana na handefitra fa tsy maintsy mipirilipo, tsy afaka mandefitra amin’ny ankampobeny satria manam-pahefana. Toa sendra ny tsy nampoizina anefa ny tanjozotram-piara nitondra ny Praiminisitra io omaly, ka saika nidiran-doza. Ny lamasinina rahateo tsy afaka ny hijanonana eo noho eo, fa tsy maintsy any amin’ny iray kilaometatra raha kely indrindra no miomana hijanona rehefa hijanona, ka izay sendra azy sy manembatsembana azy amin’ny tsy ampoizina dia mety ho voafaoka avoka. Tezitra mafy ny Praiminisitra noho ny tonga teny an-dapa, ary nomeny fampitandremana vonjimaika ny mpiambina, hoy ny loharanom-baovao vonjimaika. Andrasana ny mety ho fanazavana na fampitam-baovao ofisialy momba ity toe-javatra ity. Mila mitandrina sy miomana hatrany noho izany ny rehetra na olon-tsotra na manam-pahefana, fa tsy mifidy sy tsy mahay manavaka amin’izany ny lamasinina.
Toky R
Sary fanehoana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.