Nalaza tamin’ny herinandro lasa teo iny ny fanangonan-tsonia nataon’ireo mpikambana maro ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teny Tsimbazaza mba hanonganana ireo mpikambana rehetra ankehitriny ao amin’ny birao maharitr’ity rafitra ity.
Ny antony, araka ny heno teny an-toerana dia satria tsy mbola voarain-dry zareo hatramin’io herinandro io ireo ambim-bola samihafa tamin’ny nampanantenan’ny fitondram-panjakana fa ho azon’izy ireo. Nisy nilaza mihitsy aza fa efa nomen’ny ministra tompon’andraikitra ny vola rehetra fa ry zareo ao amin’ny birao maharitra no tsy nanome izany azy ireo. Araka ny taratasy voaray am-pelatanana dia mitotaly 17 700 000 Ar isan’olona ny ambim-bola tokony horaisin’ireto CT ireto. Ao anatin’izany ny seky fangalana solika telo volana ambiny nampanantenain’ny ministra tamin’ny fandaniana ilay tetibola 2011. Dia misy ihany koa izany “13è mois” nampanantenaina an-dry zareo izany ary ny ambin-karama tsy voaray.
Ny Kestora faharoa ao amin’ity Kongresy ity kosa anefa dia nanamarika fa amin’ny sekin-tsolika 800 000 ariary nampanantenain’ny ministra dia 300 000 ariary sisa tsy voaloa. Dia mbola ambim-bolan-dry zareo tsy voaloan’ny fanjakana koa ny antsoina hoe “frais d’approche” saran-dalan’ireo tsy nandeha fiaramanidina tamin’ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoana farany teo ary farany dia mbola ambim-bola hafa tokony horaisin’ny sasantsasany koa ny fahazoana 200 000 ariary ho an’izay tsy mahazo trano, aloa isaky ny misy fivoriana ara-dalàna io. Izany resaka “13è mois” izany kosa dia nahagaga azy tanteraka. Nambaran’ny Kestora faha-2 fa vao tamin’ny alakamisy 17 martsa teo ny ministra tompon’andraikitra vao nanao sonia ny taratasim-bola mitentina 115 tapitrisa ariary handoavana ireo ambim-bola rehetra tsy voaloa hatrizay. Mety ho anio talata 22 martsa no ahatongavan’izany eny Tsimbazaza araka ny fanamarihana azo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : ho ampy hozaraina amin’ny ireo manan-trosa rehetra ve io tonom-bolan’ny ministra io sa hiandry ny fanendrena ministra vaovao ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.