Actualités

Kongresin’ny tetezamita May volon-tratra amin’ny resaka solika


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Na dia ny fandinihana ireo volavolan-dalàna samihafa naverin’ny CST eny amin-dry zareo aza no hifantohan’ny sain’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ankehitriny dia may volon-tratra ihany koa ry zareo amin’ity resaka olana fitsinjarana solika nanjary nisy filaharam-be teto Andrenivohitra nanomboka tamin’ny talata ity. Tsikaritra teny amin’ny Lapam-panjakana Tsimbazaza omaly ny fisomebisebin’ireo CT maro notarihan’ny filohan’ny vaomieran’ny angovo sy harena ankibon’ny tany niaraka tamin’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra sasantsasany nandinika akaiky ny amin’ity resaka ity. Nambaran’ny iray tamin’izy ireo, tamin’ny teny fohy dia fohy nomeny fa «tsy mipetra-potsiny izahay manoloana ity olana iray goavana ity, mifampiresaka amin’ny tompon’andraikitra rehetra voakasika mivantana». «Hafana ny fanontaniana havantanay amin’ny minisitra tompon’andraikitra amin’ny zoma izao, mandritra ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny CT eny Tsimbazaza», hoy izy, «hisy koa anefa soson-kevitra hatolotray ny mpanatanteraka izay ho vahaolana maharitra tokoa».

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT