Raha saika natao fiaraha-mitantana eo amin'ny Solombavambahoaka roalahy voafidy tao Farafangana dia Ndremanjary Odilon sy Nivo Rufin,
ny hitarika ny Komity Ifotony ho an'ny fampandrosoana (CLD) ao amin'ny Distrikan'i Farafangana dia natao fifidianana indray izany omaly alatsinainy 1 aogositra ka lany ho filohan'ny CLD ny depiote Ndremanjary Odilon, zanaka lahin’ny minisitra teo aloha Ndremanjary Jean André. Izy no nosafidin'ireo Ben'ny tanàna avy amin'ny Kaominina miisa 33 mandrafitra ny Distrikan'i Farafangana. Ndremanjary Odilon izany no hitarika ny hampiasana ilay tetibola 200 tapitrisa Ariary amin’ny tetikasa hampandrosoana ny Distrika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.