Actualités

Komity hisava “bois de rose” Hiasa manomboka anio ny ao Atsinanana sy Analanjorofo


  • Talata 16 Aogositra 2011

Komity hisava “bois de rose” Hiasa manomboka anio ny ao Atsinanana sy Analanjorofo Miasa manomboka anio talata, ireo komity hisahana ny fanisana sy fisavana ireo tahirin’andramena ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjoro, izay ny DREF na ny talen’ny ala sy ny tontolo iainana Toamasina sy ny eo anivon’ny ministera no mitarika ny komity.

 Eo koa ny fitsarana misy ny lehiben’ny fampanovana ambony hisahana ny fanamorana ny famoahana ny “ordonnance de saisie” sy ny “mandate” amin’ny fisavana hatao. Eo koa ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila izay hanamora ny fampirimana sy figiazana ireo andramena tsy ara-dalàna tratra. Eo koa nefa ny lehiben’ny faritra roa dia Atsinanana sy Analanjorofo hanamora ny asa hataon’ireo komity. Mifanohana amin’ireo koa ny ladoany izay manara-maso ireo hazo mety nisy nanondrana antsokosoko.

Mandritra ny fisavana dia afaka mampiseho ny taratasy manamarina ny fananany ireo tena ara-dalàna amin’izany, ka ho azy ireo dia hisy ny fanonerana ny andramenany fa saingy tsy ny tetim-bidin’ny tena nihazonana sy ny valerany, fa ny fenitra efa napetraky ny FAT ihany. Ireo tsy manana taratasy mazava kosa, dia avy hatrany dia voageja tsy misy fanonerana ny lany rehetra. Ireo efa nogiazana teo aloha kosa, dia efa lasan’ny fanjakana avy hatrany tsy misy fepetra. Tombanana ho 19.000 eo ireo andramena tahiry any amin’ireo mpandraharaha sy ny mpanondrana, hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala nitondra ny fanazavany. Ankoatra izay, nambaran’ny minisitry hiitatra any amin’ny “palissandre” sy ny hazo sarobidy hafa ny fizavana, mba hahalalana marina ny tahiry eto amintsika. Nambarany koa fa hisy amin’ireo andramena ireo no entina hamatsiana ireo mpanao asa tanana Malagasy, ka hisy ny fanaganana “Centrale d’achat” manokana mikasika izay. Voalaza fa miara-miasa amin’ny Bianco Toamasina ny komity amin’ny asa ataony manomboka anio talata ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT