Actualités

Komity Firaisankina Manameloka ny tsy fanajana zon’olombelona


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Tsy ara-drariny ary mifanohitra tanteraka amin’ny fanambarana iraisam-pirenana momba ny zon’olombelona ny tsy famelana ny Filoha isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana ataon’ny fitondrana ankehitriny, hoy ny Komity Firaisankina amin’ireo iharan’ny tsindrihazolena tarihan’i Fetison Rakoto Andrianirina.

Toherinay tanteraka, hoy izy ireo, ny trangan-javatra tahaka izao izay manohintohina tanteraka ny fitadiavam-bahaolana amin’ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ary hirosoana amin’ny fiaraha-mitantana tsy hisian’ny fanavakavahana n’iza n’iza. Heverinay, fa ny mbola fizirizirin’ny fitondrana ankehitriny tsy hamela ireo olobe manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ary mbola itokisan’ny vahoaka mpanara-dia maro dia maro azy ireo hody an-tanindrazana dia hanery ny Vondrona Iraisam-pirenena hanamafy ny sazy efa azon’izy ireo avy tamin’ny Vondrona afrikanina tamin’ny 17 martsa 2010 nohamafisina tamin’ny 31 janoary 2011, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Melohin-dry zareo ihany koa rehefa mety teti-dratsy na avy amin’iza na avy amin’iza, mampikatso ny famahana ny krizy eto Madagasikara mba hananan’ny mponina fitoniana sy fiainana milamina.

Ny tsy fandraisana andraikitra mikasika ny trangan-javatra manohintohina ny zon’olombelona tahaka izao dia heverin’ny Komity Firaisankina fa fampirisihana tsotra izao ny fanaovana fitondrana jadona maneran-tany. Ho an’i Madagasikara manokana dia tsy azo ihodivirana io fandraisana andraikitra io mba hahazoana manokatra fifanarahana tena izy hisian’ny fifampitokisana miako eo amin’ny ankolafy tsy mitovy hevitra ao anatin’izao fotoana fanelanelanana ataon’ny SADC heverina fa tena hamarana ny krizy izao ahazoan’ny Malagasy manendry marina izay mpitondra tena finidiny.

Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT