Ry Alain Andriamiseza sy ny komity mpanohana ny fehinkevitra tapaka nandritra ny fikaonandoha nokarakarain’ny FFKM no nandrasana fa ry zareo ao amin’ny Komitim-Panavotam-pirenena indray no hiaka-tsehatra.
Hamory vahoaka ao Antsahamanitra ry zareo rahampitso zoma 09 aogositra. Fanopoam-pivavahana ho an’ny firenena sy fanehoan-kevitra no hatao araka ny taratasy fangatahana izay nahazo alalana avy amin’ny talen’ny kianjan’Antsahamanitra sy nohamarinin’ny prefektora. Ambetitenin-dry Joseph Yoland, Ranjivason Jean Théodore ary Dr Andriamaholison Jules ny hoe : tokony samy handray andraikitra ny rehetra satria mila faranana haingana ny krizy eto amin’ny firenena izay mampijaly ny vahoaka Malagasy ary ajoro ny fanjakana tan-dalàna sy mandala ny fahamarinana. Tsy mijanona amin’ny zoma izao ilay hetsika fa mitohy amin’ny alarobia eny Ambohijatovo indray. Nilaza mihitsy ny KPM fa mitohy ny tolona mandram-pivaha ny krizy. Nomelohin’izy ireo koa ny fanosihosena ny demokrasia ataon’ny Pdsn’Antananarivo izay mandrirarira ny fangatahana nataon’ny KPM momba ny fampiasana ny kianjan’Ambohijatovo. “Tsy maintsy tafiditra ao Ambohijatovo izahay”, hoy ny fampanantenana nataon’ny Dr Andriamaholison Jules. Ho hita eo ny tohiny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.