Vevihavy iray nitady mpanam-bola hividy « zaza varira » na « zaza bobo » no ahahalalantsika azy aty afovoan-tany ary « enfant albinos » amin’ny teny vahiny,
tao amin’ny Kaominina Maroalopoty ao anatin’ny Faritra Androy. Vehivavy iray avy any Amboasary atsimo io tonga nitady "patron "hividy zaza varira io, ka tonga tao Ambovombe Androy ny zoma 19 novambra 2021, raha ny fanampim-panazavana. Rehefa nahafantatra io ilay olona natsoin’ity Farany dia tonga nanantona ny Commandant Groupement Androy, ka nilaza ny zava misy. Teo no nanao ny vela-pandrika ny zandary ka tra-tehaka ilay vehivavy sy lehilahy roa hafa mpiara-miasa aminy. Nanontaniana izy ireo hoe aiza ilay zaza varira amidinareo io? Namaly izy hoe any Maroalopoty distrika Ambovombe mo misy azy. Nidina tany an toerana ny zandary ka nijery ilay zaza. Zaza varira 2 izay 07 taona ary 21 taona ireto Saika hamidy ireto rehefa nojeerena ifotony. Nentina namonjy ny Borigady Ambovombe Andro avy hatrany ireo zaza varira sy ny Ray aman-dReniny ary ny vavolombelona hatao fanadihadihana. Natao ihany koa ny fanadihadihana mikasika ilay olona 3 nitady mpanam-bola hivarotana ireo zaza varira, ka teo no nahafantarana fa ao Amboasary Atsimo Faritra Anôsy ny naman’izy ireo hafa. Olona miisa efatra izany no tompon’antoka tamin’ity "tentative d’enlèvement et vente d’enfant albinos" na fikasana haka an-keriny sy hivarotra zaza varira ity tany amin’ny Faritra Atsimo ity. Notazomina ao Amboasary ireo olona ireo ary "enquête mixte " no atao ka ny Groupement Androy sy Anosy no misahana ny fanadihadihana. Anio alatsinainy 22 novambra kosa no atolotra ny fampanohavana ao Taolagnaro ity raharaha resaka zaza varira ity. Mbola baraingo hatrany hatreto ny hoe: inona marina moa izany no ilàna ireo zaza varira, fa mbola misitera tahaka ny resaka halatra taolam-paty na koa halatra taova ihany. Matetika mikatso sy vitavita ho azy eny ny fanadihadiana ka asa hoe: hanao ahoana ity indray mitoraka ity?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.