Actualités

Kolontsainan’Amoron’i Mania Havadika ho iraisam-pirenena ny dombolo


  • Zoma 02 Septambra 2011

Mbola mampiseho ny maha Amoron’i Mania azy ny dombolo. Izy ity dia zava-kanto hampisehoana ny dihy sy fitafy ary ny fombafomban’ny Faritra.

 Miavaka amin’izany ny hety volo sy ny loloha fihogo ary ny fitondran’ny lehilehy tehina raha ny fitafiana betsileo miaro loko marevaka ny an’ny vehivavy. Hatramin’izay nisian’ny Volambetohaka, dia nahaliana ireo vahiny hatrany ity fomba iray ity. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra, Maminirina Josoa Eugène, dia hokarakaraina ity dombolo ity ho lasa iraisam-pirenena sy hisintonana ireo vahiny mba hazoto hitsidika ny Faritra. Nahitana ity kolontsaina ity moa nandritra ny hetsika Volambetohaka natao tao Ambatofinandrahana farany teo izay nifaninanan’ireo Ditrika dimy mandrafitra ny Faritra Amoron’i Mania.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT