Nahoraka ny faran’ny herinandro teo fa hoe : nesorina tsy ho isan’ny fianakaviamben’ny zandary intsony ny lietna-kolonely Andrianjafy Raymond.
Tsy izy irery fa misy hafa, isan’ireo voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN 2010 ihany koa. Sarotra ny nanamarina ny vaovao. Ny hany re dia hoe nisy “Conseil d’enquête” tamin’ny heriny, ary tokony niatrika izany ity manamboninahitra zandary ity, fa tsy tonga. Jeneraly zandary iray indray anefa no niteny fa lojika ihany raha fanesorana tsy ho zandary no valin’ilay “Conseil d’enquête” satria voasazin’ny fitsarana ny kolonely Raymond, ka tsy maintsy manaraka an'io didy io ny fanapahana. Ny kolonely Raymond tsiahivina ihany dia nitarika ireo zandary teo ambany fifehezany, nitaky ny mangarahara mikasika ny vola 500 tapitrisa Ariary, tokony hozaraina amin’ireo zandary tao amin’ny FIGN teny Fort-Duchesne, nandray anjara tamin’ny fitandroana ny filaminana tamin’ny 2009, saingy tsy hita nanjavonana ilay vola.
Nivadika ho fikomiana ny raharaha, ka nanafihan’ny Emmo-Reg sy ny FIS ny tobin’ny FIGN ny 20 mey 2010. Nisy ny maty anisan’ny ny zandary iray tao amin’ny FIS, nisy koa sivily maty toy ny pastera Ranaivo Rivo Arson, maro ireo naratra. Nirarakompana taorian’izay ny sazy sy fampidirana am-ponja ireo zandary tao amin’ity sampana iray amin’ny hery vonjitaitran’ny zandary ity. Nalefa tany Tsiafahy avy hatrany ireo lohandohany toy ny kolonely Raymond Andrianjafy. Ity farany izay voasazy enin-taona hanao asa an-terivozona sy dimy taona tsy mandia faritany no an’ity farany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.