24 ora taorian’ny namoahan’ny fitsarana tampony ny didy mamafa ny sazy ara-pitsaran’ireo zandary sy miaramila miisa 27 lahy, ampahany tamin’ireo voarohirohy noho ny fikomiana teny amin’ny FIGN Fort-Duchesne sy BANI Ivato ny taona 2010 dia mbola tavela any am-ponja ireo mbola tany tamin’ny fotoana nivoahan’io didy io.
Misy amin’ireo mantsy no efa nahazo fahafahana vonjimaika. Ho an-dry lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond sy ry GP2C Fikisy Lydie, izay migadra any Tsiafahy noho ny raharaha FIGN, ohatra, dia fantatra fa mihitsoka tsy tafavoaka na dia efa nivoaka teny amin’ny fitsarana aza ny taratasy tokony hamoahana azy ireo, rehefa nomena famotsoran-keloka taorian’ny fangatahana nataon’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao dia nisy teny midina tonga any anivon’ny mpiandry fonja fa tsy mbola misy mahazo mivoaka. Tsy azo natao inona, araka izany, ny taratasy avy eny amin’ny fitsarana. Tsy nisy fanampim-panazavana azo momba ny antony mbola hitazonana ireo olona ireo.
Loharanom-baovao hafa indray koa anefa no andrenesana fa niangavy ny mba hisian’ny olona afaka hiaro azy manokana ny lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond amin’ny fotoana hivoahany ny fonja mandra-pahatongany any amin’ny fianakaviany. Inona avokoa no fonosin’izany rehetra izany ? Misy zavatra mampanahy ity manamboninahitra zandary ity, nitaky ny mangarahara tamin’ny nanaovana ny vola 500 tapitrisa Ariary nomen’ny fitondrana Ravalomanana hanampiana ny zandary FIGN tamin’ireny raharaha 2009 ireny ve ? Tsaroana rahateo fa telo volana lasa izay dia nisy resaka nandeha fa hivoaka ny fonja ny lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond. Tamin’izay fotoana izay anefa dia fantatra fa nisy andian’olona manao fanamiana miaramila sy mitam-basy niaraka tamina 4x4 ny sasany, ary nandeha moto ny hafa, nihaodihaody teny Tsiafahy teny.
Tsy fantatra mazava moa ny tena anton-dian’izy ireo tamin’izany. Misy ifandraisany amin’izao fanirian’ny lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond ny hanomezana azy mpiaro manokana izao ve izany ? Izay koa ve no tsy mbola namoahana azy ireo omaly, sa fitarazohan-draharaha vokatry ny fitakiana tombontsoa ataon’ny mpandraharahan’ny fonja ? Ho hita eo moa ny fivoaran’ny raharaha anio, fa tsiahivina ihany fa dia nomelohan’ny fitsarana hanao asa an-terivozona mandritra ny enin-taona ny lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond noho iny raharaha FIGN ny 10 mey 2010 iny, didim-pitsarana nivoaka tamin’ny volana mey 2012. Nisy 36 ireo olona voarohirohy tamin’io raharaha io, nisy sivily sy zandary.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.