Namaly ny fiampangana azy ho tsy nandray andraikitra tamin’ny fanenjehana an’i Remenabila ny lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny kolonely Namany Belone.
Ny jeneraly Manakay izay anisan’ireo jeneraly telo nitarika ny mpitandro ny filaminana sy nandrindra ny asa fikarohana an’ity lehiben’ny malaso ity tany Esira no nanao io fanambarana io. Nambaran’ingahy lehiben’ny Faritra fa nanetsika zandary 250 miampy miaramila 250 ny tenany raha vao nahare iny raharaha nahafatesana mpitandro ny filaminana tao Befotaka iny. Noho ny tsy fisian’ny fiara nitondrana ireo miaramila anefa dia ireo zandary no nandeha mialoha ary nahafantatra izany ny minisitry ny foloalindahy. Iraka nampanaovin’ny fanjakana azy tamin’io raha ny nambarany ny fikarohana ny razan’ireo miaramila novonoin’ny dahalo. Nentina tao an-drenivohitry ny Distrika ireo razana 11 hita izay nanao fanamiana miaramila ny 8 hatao fanamarinana araka ny toromariky ny fitondrana foibe. Tsy nankasitrahan’ny jeneraly Manakay anefa izany satria ity farany tamin’ny filazana fa tsy tokony hoentina mianavaratra ny razana avy any Atsimo.
Nahazo fandrahonana mihitsy ny lehiben’ny Distrika tao Befotaka raha ny tatitra nataon’ny lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Efa taty aoriana vao niditra an-tsehatra ny fanjakana foibe. Nisy hatrany ny fiaraha-miasa tamin’ny lehiben’ny Faritra Anosy tamin’izany araka ny fanazavan’ny Kolonely Belone. “Amin’ny minisitry ny foloalindahy, ny praiminisitra ary ny fiadidiana ny tetezamita no nanaovana tatitra ny zava-misy. Tsy misy tokony hanaovako tatitra amin’ny jeneraly Manakay velively”, hoy ity manamboninahitra lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana ity. Na dia tsy nambara mivantana aza dia nanisy tsindrim-paingotra an’ny jeneraly Manakay ny kolonely namany Belone izay nilaza fa tokony ho manamboninahitra tanora no nalefa nanao hazalambo an-dry Remenabila fa tsy olona efa malemy lohalika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.