Tsy nahafaly ireo lehiben’ny zandary ao Toamasina ny nahazoan’ny mpanao gazety, ny vaovao mahakasika ny naman’izy ireo kolonely “voarohirohy” amin’ny famatsiana basy jiolahy tratra tao Toamasina ny alatsinainy lasa teo tao Bazary be.
Andro talata, roa herinandro lasa izay dia nahasambotra jiolahy efatra mitam-basy ny mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo no nivoahan’ny anaran’ilay kolonely zandary miasa ao Toamasina ho mpamatsy basy kalaky sy PA ireo jiolahy ireo. Teo no nanomboka ny fanarahan-dia ity kolonely ity, nataon’ny “Brigade Criminelle (BC)” Antananarivo. Voasambotra tao Bazary be ilay kolonely, ary mbola nahitana basy kalaky iray teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Nanomboka tany Toamasina ny fanadihadiana azy, avy eo dia nakarina aty Antananarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.