Actualités

Kolonely «malaza» Resin-tory dia voaendaka


  • Alarobia 11 Aprily 2012

«Vehivavy tsy maha lehilahy», hoy ny hira malazan’ny faritr’i MAVAM izay.

 «Ny torimaso koa tsy maha mpitandro ny filaminana» raha ny zava-nisy tao Toamasina ny faran’ny herinandron’ny paska teo. Tena nahagaga sy tsy noheverina hisy mihitsy ary nampitolagaga ny nahalala ny vaovao nitranga tao Toamasina ity, satria kolonely iray “malaza” izay atahoran’ny olona, indrindra ny mpanao politika avy amin’ny mpanohitra sy anisan’ny nanamarika ny krizy ary mpiaro itokisan’ny FAT, no tratry ny tsy nampoiziny ny alatsinain’ny paska teo. Vokatry ny havizanana, sa noho ny fialan-tsasatra nataony, fa resin-tory tanteraka ity kolonely ity ary tena renoka torimaso lalina mihitsy. Nandritra izay anefa dia nendahan’ny olona ny volamena teny an-tendany sy ny teny an-tanana ary ny finday tany aminy, nefa tsy henony akory. Tao anaty trano fandraisam-bahiny iray tao Toamasina no nitrangan’izany.

Hatreto aloha dia tsy fantatra ny zavatra hafa mety nanjavona tamin’ity kolonely ity, sarotra rahateo ny fanangonam-baovao noho izy olo-malazan’ny fahefana avon’ny tetezamita, satria tsy miala basy ny tenany amin’ny maha manamboninahitra ambony sy amin’ny maha mpitandro ny filaminana azy. Olona nandeha niala sasatra izany anefa dia azo antoka fa tsy maintsy nitondra vola be. Ny hany fantatra hatreto, dia efa mandray an-tanana ny raharaha ny borigadin’ny zandary misahana ny heloka bevava. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha mikasika ity kolonely “malaza” voaendaka ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT