Kolonely Charles Andrianasoavina

> Namelively an’i Hery Rajaonarimampianina


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2013


Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina amin’izao ankatoky ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao. Nitondra ny teniny ny zokiny lahy, Charlot Ratovonirina, izay vao tonga avy any La Réunion ny zoma teo. Nahitsy ny teniny fa olon’i Andry Rajoelina ny kandida Hery Rajaonarimampianina, ka fanohizana hatrany ny tetezamita raha sanatria ka ity farany no voafidy eo. Nilaza ny kolonely Charles fa dia nandre mangirifiry loatra tamin’ireo olona ireo, teo ny efa saika namoizany aina tany am-ponjan’i Tsiafahy, ary mbola nanampy trotraka izany ny tsy nahazoany vola tohana avy amin’ny fanjakana, hiatrehany ny fitsaboan-tena atsy La Réunion. Mafy amiko izany, hoy ny kolonely Charles. “Olona tsy mahalala ny maha olona toy izany ve no ndeha hitondra firenena ?”, hoy izy.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT