Kolo FM

TV


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Rehefa nihemotra in-droa miantoana dia navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany tetsy Anosy ny antoandron’ny alarobia 14 aogositra teo ny didy manome alalana ny fanagiazana ny fitaovan’ny Kolo FM sy Kolo TV, araka ny fitoriana nataon’ny CSCA, izay ny minisitry ny serasera no lehibeny moa.

 

Io alarobia io ihany anefa dia nampakatra ny rahatraha any amin’ny ambaratongam-pitsarana ambony ny mpisolovava ny Kolo FM sy ny Kolo TV, saingy araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny ministeran’ny serasera dia tsy manakana velively ny fanagiazana ny fitaovana izany, fa rehefa tonga eny am-pelatanan’ny tompon’andraikitra ny taratasy mirakitra ny didim-pitsarana dia tanterahana avy hatrany ilay izy. Hatramin’ny omaly aloha dia mbola nandeha soamantsara ity haino aman-jery manana ny foibeny eny amin’ny digy ity, izany hoe : tsy mbola nikatona. Ireo mpisolovava ny Kolo FM sy TV moa dia manovokovoka mihitsy nanazava fa mitombina sy ara-dalana ny fijoroan’ity orinasa ity.

Tsy fahazoan-dalana na “licence” vaovao nivoaka nandritra ny fitondrana tetezamita no ampiasainy, fa zavatra efa nisy tamin’ny 2002 no novidiana, efa nanaovana andrana ara-teknika ary nankatoavin’ny OMERT. Tsara ho marihina fa ao anatin’ny vondron’orinasa SMPC na Société Malgache de Presse et de Communication ny Kolo FM sy ny ny Kolo TV. Ity vondron’orinasa ity no nividy ny “licence” avy amin’ny Teen FM tamin’ny 2012 ka io no lasa Kolo FM. Ny fahazoan-dalana nampiasain’ilay tetikasa IMEVa, lasa Meva TV, avy eo niova ho Dream TV kosa no novidian’ny SMPC ka ampiasain’ny Kolo TV ankehitriny, raha araka ny fanazavana azo. Milaza ny mpisolovavan’ity haino aman-jery ity fa nahazo alalana sy fankatoavana avy amin’ny ambaratongam-pahefana izy ireo matoa nanokatra sy nandefa fandaharana. Ny ao amin’ny ministeran’ny serasera kosa anefa dia manizingizina fa tsy nanaja ny lalàna ny Kolo FM sy Kolo TV. Andrasana noho izany ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

Tena hakatona marina ve ny Kolo FM sy Kolo TV, kanefa ny tondrozotra aza milaza ny amin’ny tokony hanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona nandritra ny fitondrana tetezamita. Maro no mihevitra fa mamofompofona ambadika politika ity raharaha ity, satria mandeha be ny resaka fa hanohana ny kandida Hajo Andrianainarivelo izay lasa malailay fonosana tanteraka amin’i Andry Rajoelina ny Kolo FM sy TV ka izay no nampihazakazaka ny fanakatonana azy.

 

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT