Actualités

Kolikoly sy risoriso Nahazo laka tato anatin’ny roa taona


  • Zoma 08 Jolay 2011

Na dia tsy miteny mivantana aza ireo fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika dia mahita sy mahatsapa fa tena milentika anaty lavaka ny toekarena malagasy tato anatin’ny telo taona izao ary mahazo vahana ny kolikoly.

 Manaporofo izany ireo raharaha goavana mipoitra toy ny boaderôzy sy ny vato sarobidy. Fantatra ihany koa fa nitombo ny fitarainana momba ny trangana kolikoly eny amin’ny Bianco. Efa hatry ny ela no nisy ny kolikoly saingy efa mampiteny ny moana ny zava-nisy tato anatin’ny roa taona mahery kely izay. Ny sehatra rehetra izao dia ahitana ity fomba ratsy ity, ary olona manana ny maha izy azy, mpandraharaha, mpanao politika olona ao anatin’ny fitondrana no manao izany. Marobe ireo olona voan’ny tsindrihazolena saingy misalasala hametraka fitoriana satria tonga any amin’ny fitsarana dia mivadika ny raharaha ka ny niharam-boina mitory indray no tafiditra am-ponja.

Tsindry bokotra etsy sy eroa, tsy misy an’izany fahamarinana sy fanajana lalàna izany intsony hoy ny raim-pianakaviana iray nikarakara taratasy tamina biraom-panjakana ka navezivezin’ireo mpiasa fa hoe miandry mpanao sonia, hono, kanefa zavatra hafa no tena andrasan’izy ireo. Matoa ifanilihana ny famoahana ny anaran’ireo atidohan’ny trafikana boaderôzy dia ao raha !  Nisy moa ny gazety efa nilaza fa olona ambony 4 no voatonontonona ao anatin’ity raharaha ity, ao ihany ka ny efa nahafantatra anarana mpandraharaha akaikin’ny FAT ary tafiditra ao anatin’ilay hazo sarobidy tratra tatsy Maorisy. Tsy misy tsy mikaikaika amin’ny risoriso sy fanaparam-pahefana ataon’ireo manampahefana amin’izao fotoana, ary raha ny fahitana azy dia tsy misy intsony ny lalàna ary tsy mahafehy ny olona ambany fahefany ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Mampiaiky ny olona ny fahaizan’ireo olona ambony sasany mitady vola amin’izao fotoana fa ao anatin’ny enim-bolana dia efa manorina villa roa ny olona iray, eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny any amin’ny faritra any mbola zavatra hafa. Hoy ny renim-pianakaviana iray : « Mbola mety ho zava-doza ny vitan’ireo raha voafidy ireo ka hitantana ny repoblika faha IV satria efa zatra mihinana sy manangona ka tsy te hahalala tombontsoam-bahoaka mihitsy. Fanovana ho amin’ny ratsy kokoa no misy eto ary haingam-pandeha ny fanapotehana ity firenena ity noho ny fitiavan-tenan’ny sasany … »

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT