Niakatra fitsarana tao Manakara ny alarobia lasa teo ny Mpanamarina ny fampiasana ny volam-panjakana ao Manakara.
Voarohirohy amina resaka kolikoly sy fanararaotam-pahefana ity mpiasam-panjakana ity. Naharitra adim-pamantaranandro sivy be izao ny fitsarana tamin’io. Nilaza ny Fampanoavana taorian’izay fa feno ny porofo hanenjehana an’ity mpiasam-panjakana ity ka mangataka ny hampiharana ny lalàna.
Andrasana amin’ny alarobia 8 jona izao ny didim-pitsarana. Solontenam-panjakana, sy “comptable” amina orinasa ary koa vondrona orinasa madinika sy salasalany no nijoro vavolombelona tamin’ity raharaha ity. Samy miandry izay didy hivoaka ny rehetra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.