Tsy tahotra tsy henatra ny an’ireo mpiasa sasany ao amin’ity biraom-panjakana iray any Mahajanga II ny manao tsolotra amin’ny fanatanterahany ny asany ao amin’ny Birao, fa dia mitaky tsotra izao ny vola amin’izay miditra hanao raharaha ilaina ao amin’ny Birao. Lehilahy anankiray no lasibatra tamin’ny voalohandohan’ny volana martsa teo izay nitondra antontan-taratasy hosoniavina momba ny fambolena fary.
Notakian’ilay lehilahy sekretera vola 7.000 Ar ity raiamandreny ity vao ho vita ny sonia tadiaviny. Voalazan’ilay Sekretera tamin’izany fa ny 2.000 Ar dia ho azy, fa ny 5.000 Ar kosa ho an’ny biraom-panjakana ho saran’ny fanaovana ilay sonia. Tsy nanana 7.000 Ar anefa ilay raiamandreny ka dia nody maina ary tsy vita ny dosie saika hosoniavina. Izany rehetra izany dia manambara fa tsy vaovao ny fisian’ny kolikoly ao amin’ity biraom-panjakana ity fa hatramin’ny ela saingy tsy misy sahy miteny fa samy mangina satria matahotra valifaty. Koa eo anatrehan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana iadiana amin’ny kolikoly dia tsara hojerena manokana ny any Mahajanga II fa mijaly ny vahoaka izay tsy manam-bola.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.