Mankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy ny kolejy Masindahy Stanislass etsy Ambatolampy Ambohimanarina.
Anio zoma 11 aprily no hanamarihany izany. Hetsika ara-tsosialy nanadiovana ny tanàna toy ny tao amin'ny Fokontany Ambatolampy sy Avaratanana, izay samy toerana lalovan'ny mpianatra avokoa no nisantaran'ny sekoly izany omaly, nandraisan'ireo mpianatra anjara. Tanjona tamin'izao hetsika izao ny fampianarana ny mpianatra hahay hanaja ny tontolo iainana ankoatra ny manodidina izay nomena lesona ihany koa mba hahalalany ny tokony hataony, raha araka ny fanazavan'ny talen-tsekoly Rajerison Holiniaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.