Actualités

Kohen Rivolala Tezitra aminy ny katolika any Miandrivazo


  • Alarobia 15 Jona 2016

Fahasahiana goavana ny nilazan’i Kohen Rivolala ampahibemaso fa “mompera iray no nanao iny ambalavelona tao Miandrivazo iny noho ny fampiasany vovo-paty, taolam-paty ary ny talisman sy ny moara”.

 

 Tsy nahafaly ny mpino katolika, indrindra ireo fianakavian’ireo ankizy nihetsika ambalavelona tao an-drenivohitr’i Betsiriry io fanambarana ampahibemaso nataon’i Kohen Rivolala, taorian’ny nivoahany ny fonja io. Mety amin’i Kohen Rivolala no tsy mandalo aty aminay, sao hampirongatra ny hatezeram-bahoaka aty izy, hoy ny ako re avy any Miandrivazo omaly. Etsy an-danin’izay i Kohen Rivolala, dia nanipika fa ny didim-pitsarana manafaka madiodio azy dia mandidy ny hamerenana aminy ny fananany, ka anisany ireo fanafody ampiasainy hanasitranana, araka ny filazany. Narian’ny olona tany amin’ny reniranon’i Mahajilo moa io fanafody ambarany io, taorian’ny nisamborana azy tany Miandrivazo ny faramparan’ny volana novambra 2015, rehefa nisy nitory ho mpampihetsika ambalavelona izy. Enim-bolana sy tapany tany am-ponja i Kohen Rivolala noho io raharaha io ary fonja telo no noteteziny, dia i Miandrivazo, Fianarantsoa ary Toliara, ka tamin’ity farany no namotsotra azy ho afaka madiodio.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT