Tsy misy diso ny faminaniako mikasika ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika hoy Kohen Rivolala, filohan’ny antoko politika Ctic Ctac Dou an’i Madagasikara no sady mpitarika ny fivavahana Jodaisma Hebraika etsy Ambanilalana Itaosy.
Tsy hiova mihitsy izany hoy izy raha tsy ny Filoham-pirenena no manapa-kevitra hiala amin’ireo karazana ozona ny firenena vokatry ny ody fady nataony. Tsy faly aminy ny tany hoy izy, tsy faly amin’ny filoha ny zava-panahy rehetra ary mbola tsy ahita vahaolana izy raha ireo mpaminanim-bazaha hatrany no hanankinany ny fony. Notsiahiviny fa taorian’ny haintany sy ny ranobe izay nanimba zavatra maro teto amintsika dia hiditra amin’ny krizy politika i Madagasikara ka ny krizy ara-tsosialy no hisantarana izany. Iaraha-mahalala tokoa ny zava-misy iainana ankehitriny. Taorian’ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia niakatra ny vidin-tsolika. Niakatra ihany koa ny saran-dalana taorian’izany, tranga izay niainana hatramin’ny omaly, tandindon’ny fipoahana ara-tsosialy. Miantso ny filoham-pirenena tsy hiziriziry amin’ny heviny araka izany i Kohen Rivolala fa handinika tsara ary hahay hisafidy izay olona hataony ho mpanolontsaina azy. Ho azy manokana dia tsy mitady seza izy raha araka ny fanazavany fa miteny sy mampahafantatra fotsiny ihany ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. Nomarihiny moa fa tsy antoko mpanohitra izy ireo. Tsy mpomba ny fitondrana kosa anefa saingy miteny rehefa misy zavatra tsy mety ary mankasitraka rehefa misy vokatra tsara azo ka mety hahasoa ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.