Actualités

Kohen Rivolala sy ny Covid 19 « Hisy korontana eto raha mbola hahiboka ny vahoaka »


  • Zoma 19 Martsa 2021

Nilaza ny heviny mikasika ny valan’aretina Covid 19 izay mahazo vahana eto amintsika Kohen Rivolala

 

 

 

 mpitarika ny antokom-pinoana Hebraika Jodaisma sady filoha mpanorina ny antoko CCDM ( Ctic Ctac Dou an’i Madagasikara) omaly. Nambarany tamin’izany fa zava-doza ho an’ny firenena ny fanaovana fihibohana toy ireny teo aloha ireny. Tsy misy ora fivoahany mantsy ny viriosy hoy izy fa amin’ny fotoana rehetra noho izany tsy nety ireny tamin’ny herin-taona ireny. Ho an’ny firenena any ivelany manokana hoy izy raha mihiboka izy ireny dia manatitra sakafo ho an’ny isam-baravarana ny Fitondram-panjakana fa ny antsika kosa mifanohitra amin’izay no sady hanamaro isa ny zaza teraka fotsiny satria tsy misy hatao ny olona. Vahaolana arosony ho an’ny fanjakana araka izany ny tokony hizarana maimaim-poana ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka ny fanafody iadiana amin’ny COVID 19, tsy an-kijery antoko politika toy ny MAPAR na ny TIM…. Toraka izany koa ny hamondronana ireo manam-pahaizana rehetra ary vatsiana vola fa tsy hajanona amin-dRatsimamanga irery ihany. Na izahay koa aza mantsy hoy Kohen Rivolala dia manana fanafody iadiana amin’ny coronavirus. Notsiahiviny moa fa hisy korontana eto amintsika raha mbola hahiboka ihany ny vahoaka, indrindra manoloana izao fahasahiranana lalovan’ny tsirairay izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT