KMNR Antsirabe

> Manohana an’i Neny hatrany


  • Alarobia 14 Aogositra 2013


Nivoaka tamin’ny fahanginany ankehitriny ny KMNR Antsirabe na ny ‘Komity Mampandany an’i Neny Ravalomanana” Antsirabe manoloana ny resabe voizina amin’izao fotoana mikasika ny kandidà tohanan’izy ireo. N’inona n’inona fehin-kevitra havoakan’ny CES vaovao dia matoky izy ireo fa tsy ho tonga amin’ny fanesorana ny filatsahan-kofidian’i Neny ny didy havoakan’izy ireo, hoy ny Dokotera Jaona, filohan’ny KMNR. Manamafy izahay, hoy izy fa ara-dalana ary nanaraka ny fenitra ny filantsahan’i Neny Ravalomanana ka tsy hihemotra manoloana ny teritery ataon’ny vondrona iraisam-pirenena. “Avelao ny vahoaka Malagasy hifidy malalaka ny olona tiany hiotondra ny firenena, satria tsy maintsy fifidianana ihany no hivoahana amin’ny krizy, ka ny mampandeha izany amin’ny mangarahara sy madio no tokony hataon’ny vondrona iraisam-pirenena fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny Malagasy”, hoy izy namarana ny teniny.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT