KMA Talatamaty

> Hitarika ny olona tsy hifidy raha ahilika i Neny


  • Talata 13 Aogositra 2013


Tsy ho vitavita ho azy ny fampandaniana an’i Neny Lalao Ravalomanana na eo aza ny finiavan’ireo rehetra manohana azy, hoy Atoa Andriamamonjisoa Daniel mpitarika ny KMA (Kômity Manohana ny Ara-dalàna) eny Talatamaty ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, fa mila fandaminana miainga hatrany amin’ny foibe ka hatreny anivon’ny Fokontany tsirairay avy manerana ny Nosy. Izahay KMA talatamaty, hoy izy, dia manohana hatramin’ny farany ny firotsahan’i Neny Lalao Ravalomanana ho kandidà filoham-pirenena ary mampirisika azy tsy hisintona velively ny antontan-taratasy efa narotsany any amin’ny CES. Izahay dia tsy hivadi-belirano aminy ary manambara fa raha vao tsy izy no kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana dia hitarika ny olona tsy hifidy. Mila mivoha ireo haino aman-jery mpanohana an’i Dada nakatona, hoy Atoa Andriamamonjisoa Daniel, ary takiana mafy mihitsy ny hisokafan’izy ireo izay voalazan’ny tondrozotra fa tsy teninina am-bava fotsiny. Nahoana, hoy izy, no misy haino aman-jery vaovao misokatra izay fantatra fa ana kandidà mpifaninana ho filoham-pirenena, ka no tsy hahavita hanokatra tahaka izany ny ankolafy Ravalomanana rehefa tsy ho sokafana ihany ireo nakatona ireo ?

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT