Hetsika hanamarika ny faran’ny herinandro ho avy io ny kitra “fair play”, lalao baolina kitra hifanandrinan’ireo mpanao politika avy amin’ny movansy samihafa sy ny ekipan’ny Malok’Ila.
Araka ny fanazavan’ny CT Ralaimampisainarinony Manoela tao amin’ny Magro Behoririka omaly dia tonga tao amin’ny Foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana ao Bel Air tokoa ny Scoop Digital, mpikarakara io hetsika io, saingy nanapa-kevitra ny tsy handray anjara ny ankolafy Ravalomanana satria “fihatsarambelatsihy no betsaka eo amin’ireo mpanao politika”, hoy izy. “Na haino aman-jery iray aza tsy mbola nisokatra ary tsy mbola tafody koa ny mpitarika ny ankolafy”.
Tsy misy azo antenaina
Ankoatra izay dia mbola resabe amin’izao fotoana izao ny famelana an-dRtoa Lalao Ravalomanana hody an-tanindrazana. Mahavalalanina ny rehetra ny sangodim-panina politika ataon’ny filohan’ny FAT sy ireo akaiky azy. Hatezerana sy alahelo moa no asetrin’ny maro ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana ataon’ireo mpitondra mihevi-tena ho tompon’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tsy misy zavatra azo antenaina amin’i Andry Rajoelina, hoy ny CT Ranaivoarizo Raobelina Fenomanjato. “Efa tsy mety intsony ny ataon-dRajoelina ka tokony hieritreritra ny Malagasy”, hoy kosa ny CT Ralaimampisainarinony Manoela. Tsy hisy fifidianana vanona ihany koa eto raha tsy mbola tafody ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ity farany.
Soa
ENCADRÉ
Hanao fitia tsy mba hetra eo anoloan’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy ny alakamisy 7 martsa entina hanampiana ireo Malgasy tra-pahasahiranana any Atsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.