Asa izay ho fanapahan-kevitra anio alarobia ao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Raha ny lôjika aloha dia maromaro ihany ny tompon’andraikitra ao amin’ny fampianarana no tokony hosoloina na esorina amin’ny toerany noho ilay tandrevaka tamin’ny
fanadinana bakalorea ka tsy nisian’ny lahatsoratra tamin’ny laza adina taranja Alemana ny alatsinainy lasa teo. Voakasika mivantana amin’io ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny oniversite izay mikarakara mivantana ny fanadinana. Tany am-piaingana ve tsy mba nisy nanamarina sy nanara-maso ilay laza adina fa efa tonga any anaty trano hanaovana ny fanadinana vao hita fa tsy misy lahatsoratra ? Dia noboriboriana fotsiny ny resaka hoe tsy tokony hahataitra fa izay fanontaniana hafa tsy misy ifandraisany amin’ilay lahatsoratra no aoka hovalian’ny mpiadina. Manaporofo hatrany ny kitoatoa amin’ny fomba fiasa sy fitantanana ny firenena ny zavatra tahaka ireny ary manamafy fa tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy ny tompon’andraikitra eto amintsika. Ankoatra ny maha mpanao politika azy dia mpampianatra ihany koa ny filoham-pirenena ka tokony hahafantatra tsara ny maha fahotana mahafaty iny tranga nandritra ny fanadinana Alemana bakalorea iny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.