Kitapombolam-panjakana

> Ritra, 45 miliara Ariary sisa ?


  • Alarobia 25 Septambra 2013

Banky ropitra ny fanjakana ! Nanaitra ny nandrenesana tamina loharanom-baovao omaly hariva fa tsy misy afa-tsy 45 miliara Ariary sisa ao amin’ny kitapombolam-panjakana.

Nifanandrify indrindra tamin’ny filankevitry ny governemanta notanterahina teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo izany. Raha ny tatitra tamin’ity filankevitra ity dia hoe nisy fandaminana ny tetibolam-panjakana 2013, nandrombinana 27% mba haompana amin’ny fiatrehana ny fifidianana, hanefana ny volan’ny fisotroan-dronono, ny fanohanana ireo vondrombahoakam-paritra sy ny Jirama. Mety hifanojo ihany ireo vaovao ireo, ka mety io 45 miliara Ariary io izany sisa no ambiny azon’ireo andrimpanjakana ampiasaina hatramin’ny faran’ny taona. Mbola kely noho ny vola ampiasain’ny kandida iray mandritra fampielezan-keviny izany, satria fantatra fa misy kandida manankina ny fandrindrana ny fampielezan-keviny amina trano famokarana hetsika ary hatrany 68 tapitrisa ariary any no sandan’izany asa izany. Mety mihoatra lavitra izany aza raha mahita ny fanofana taksibe sy 4x4 maro, mandritra ny iray volana haharetan’ny fampielezan-kevitra ankoatra ny dokambarotra sy ny afisy ary akanjo samihafa… Maro ny fanontaniana mibosesika manoloana izany. Ho vita sa tsia ny handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’izao faran’ny taona izao ? Inona no hataon’ny fanjakana manoloana ny fitakian’ireo mpandraharahan’ny solika mikasika ny elanelam-bidy tokony haloan’ny fanjakana ? Sa hampiharina ny “vérité des prix” dia ny vahoaka mpanjifa no hizaka ny vokany eo ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT