Actualités

Kiranomena Fenoarivobe Nampisotroana toaka dia naolana avy eo ilay zazavavy


  • Zoma 29 Jolay 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny tanàna antsoina hoe : Kiranomena Fenoarivobe, 93 km miala ny tananan’i Tsiroanomandidy andro vitsy lasa izay.

Tovovavy kely iray vao 15 taona monja no nomamoana lehilahy iray voalaza fa vinantolahin’ny lehibem-pokontany ao Mandrarahody Kiranomena no sady nanolana azy. Araka ny fitantaran'ilay zaza dia handeha hody avy any amin'ny famadihana izy no nosakanan'io lehilahy io ary nomeny toaka. Rehefa tsy nety nisotro itsy voalohany nokakany ary tsy namelany raha tsy mamo. Nanamparany ny filan-dratsiny amin’izay taorian’izany.Ny faritry ny ambavafony no hitarainany fa marary be ary ny mahavehivavy azy misy rà mivoaka. Miantso ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany moa ny fiakavian’ity zazavavy kely ity mba hijery akaiky ity raharaha fanolanana sy fampisotroana toaka zaza tsy ampy taona izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT