Actualités

Kilalao andro fety Mampitaraina olona maro ny « laser » maitso


  • Zoma 24 Jona 2022

Lasa lamaody be amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao ny fampiasana ny laser maitso.

Betsaka ireo ankizy efa mampiadiady azy ireny araka izany eran’ny tanana raha vantany vao harivariva ny andro ka mampitaraina ny maro. Alefan’ireo ankizy tsy mahafehy izany any amin’ny mason’olona sasany mantsy ilay laser izay tena misy mahataka-davitra tokoa. Tena zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny maso anefa ny fisian’ilay rayon havoakany iny hoy ny mpitsabo. Efa voasoratra eo amin’ny fonin’ilay laser mazava tsara kosa ny fampiasana sy ny fifehezana azy izay tokony arahina sy hajain’ny rehetra. Mikasika ny tsipoapoaka izay tsiahivina fa efa nahatorana olona ihany koa dia tsy fantatra fa tsy azo hapoaka eny akaikin’ny hopitaly, sekoly, ary birao fiasana izy ireny. Toraka izany koa eny an-tsena sy ireo toerana misy fampisehoana. Tsy voarara toy ny tamin’ny taon-dasa araka izany ny fivarotana azy ireny.

Tsara ho marihina fa nisy ireo sahy nitsilo ny filoham-pirenena tamin’ny Laser maitso nandritra ilay antsam-piderana goavana natao teny amin’ny kianjan’ny Barea ny alahady 19 jona lasa teo.Fahasahiana tsy roa aman-tany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT