Ny alarobia 18 jolay no niakatra fitsarana tao Toamasina ireo olona folo voarohirohy tamin’ilay raharaha fakana an-keriny zanaka Karana tao Toamasina ny 12 jolay 2012 teo.
Notanana am-ponja vonjimaika ilay mpamily ny fiara 4x4 “Ford Ranger” sy ny mpanera nahitana ireo olona roalahy nanofa ary ireo mpiasa mpandray vahiny roa tao amin’ny Bungalow natorian’izy ireo tao Salazamay Toamasina. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo enina ambiny amin’ireo voarohirohy, ahitana ny tompon’ilay fiara 4x4 izay monina eny amin’ny 67ha ary mpitatitra ao amin’ny kaoperativa “Vatsy” sy ireo mpiasa dimy hafa tao amin’ilay Bungalow. Araka ny fanazavana nomen’ny Jly Rakotoarisoa Jean Yves, Talen’ny polisy Toamasina sy ny kaomisera isany Ramilison Célestin (PJ) sy Ramananandro Gabriel Alexandre (CC) ary Andriamampionona R.R Fleurys (GIR), dia efa tamin’ny 04 jolay 2012 no niala teto Antananarivo ilay fiara 4x4 raha nofain’olona roalahy ho any Toamasina “hitsenana vazaha” izany. Mpanera izay mahalala ny tompon’ny fiara no nahitan’izy roalahy io fiara io. Tsy nisy ny fifanarahana an-tsoratra nifanaovana tamin’ny nanofana ny fiara na tsy fantatra akory ireto olona roa ireto. Vao tonga tao Toamasina izy roalahy ireto, dia ny iray niala teo amin’ny tsenan’Ankirihiry, ny iray sy ilay mpamily kosa naka Bungalow tao Salazamay, izay tsy nanao ny fanoratana anarana ihany koa nandritra ny fipetrahany tao. Ity mpamily ity hatrany no nitondra azy ireo ary tao amin’ny trano fatorian’ilay mpamily koa no fanaovan’ireo jiolahy ireo ny fivoriana, izay lasa 05 taty aoriana. Ny andron’ny 12 jolay anefa dia ireo jiolahy ihany no nitondra ilay fiara, fa nasain’izy ireo nijanona ilay mpamily fa hoe “efa nofainay ny fiaranareo ka izahay androany no mitondra azy, averinay eto ihany avy eo”.
Novaina ho “WWT” ny laharany teo. Natao ny “kidnapping” nefa tsy azo ilay zanaka Karana 10 taona noho ny hetsika fanoherana nataon’ny Fokonolona na nitondra basy kalaky aza ireto jiolahy sy voadaroky ny vodi-basy ny rain’ilay zaza. Nanomboka teo ny fanaraha-maso, ka ny 14 jolay raha hiverina hody iny ity fiara, no tratra tamina sakana nataon’ny polisy tamin’ny RN2 teo am-pivoahana ny tanànan’i Toamasina. Nanomboka teo ny fanadihadiana rehetra ka nampidoboka am-ponja vonjimaika ireo olona ireo, na nambaran’ny Jly Rakotoarisoa Jean Yves aza fa “tsy ireo no nanao ny fakana an-keriny, fa heverina ho mpiray tendro sy tsikombakomba kosa izy ireo”. Mbola mandeha ny fikarohana azy 05 lahy tena jiolahy ireo, satria efa fantatra ny mombamomba azy ireo ankehitriny, hoy ny polisy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.