Nitrangana «kidnapping» teratany Karana tao Tanamakoa ny harivan’ny talata 17 aprily teo. Izany Karana tompon’ny «New Sheetal» izany izay, 30 taona ity nisy naka an-keriny ity. Tsy fantatra marina ny tena zava-nisy, satria na ireo mpitandro ny filaminana manao ny fanadihadiana hahamora ny fanenjehana aza, tsy omen’ny fianakavian’ity nalaina an-keriny fanampim-panazavana matotra. Ny hany fantatra hatreto dia lehilahy miisa valo samy manao saron-tava ary samy nitondra basy kalaky nitondra fiara 4x4 miloko mainty, no tonga tao an-tranon’izy ireo, nitady ny olona nokarohiny ary naka azy an-keriny avy eo.Tsy mbola fantatra ny misy azy io hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Betsaka ny feo mandeha, ao ny milaza fa sinema ataon’ny Karana indray ity matoa afenina ny marina, ao kosa ireo manambara fa ananan’olona vola be ity Karana ity. Misy koa ireo miteny fa ilay Karana nalaina an-keriny mihitsy no mifandray amina jiolahy mba hakana vola be amin’ny fianakaviany. Hatreto anefa aloha dia tsy mbola misy ny fangataham-bola nataon’ireo mpaka an-keriny, ireo fianakaviany fotsiny no nanao filazana tamina onjam-peo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.