Nazava ny hafatra nentin-dry Gothlieb omaly tetsy amin’ny efitrano fampisehoana CCESCA Antanimena, tao anatin’ny “Kibay an-kelika ihany”, dia ny fampitana ny fiainam-pirenena ankehitriny. Hipoka tanteraka ny efitrano.
Nezahina nentina an-tsehatra manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny seho ka nanaovan’ity mpanakanto feno ity fanovana feo sy endrika amam-bika niangaliana an’i Gothlieb, Olga (tafiditra sekreteran’Ambohitsorohitra), Syril sy ireo mpanao politika fanta-daza eto amin’ny firenena. Azo ambara fa efa niofo ho “Tarika Gothlieb” ny niaka-tsehatra omaly satria nisy ireo namany efa nampiangaliany fampihomehezana manokana tsy niaraka taminy mihitsy. Marihina fa noho ny fiaraha-miasan’ny tambajotran’orinasa Vidy Varotra sy ny One Vision mpikarakara dia nizarana gazety Tia Tanindrazana (Best of) tsirairay avy ireo mpijery maro tonga voalohany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.