Seho hotanterahina anio zoma 11 sy ny alahady 13 aprily izao samy, etsy amin’ny CCESCA Antanimena, iarahana amin’i Gothlieb ny “kibay an-kelika ihany
Ireo trangam-piarahamonina toy ny politika, sosialy... izay misarika ny sain’ny maro ankehitriny no hoentin’i Gothlieb eny an-toerana. Hiseho amin’ny endrika maro ity mpanakanto ity ahafahany manamora ny fampitana ny hafatra sy mampiaina ny seho. Singanina amin’ireny i Cyrille izay maneho ny atim-piarahamonina kobonin’iilay antsoina hoe «Faritra iva» eto Analamanga. Ny zava-misy tsy amboamboarina no hatosaka, hoy i Gothlieb fa ezahana haseho amin’ny endrika mahatsikaiky sy laroina vazo izy ireny mba tsy hahamonamonaina ny mpijery.
Tsy ireo ”Olombelona tsotra” miaina eny anivom-pirahamonina ihany anefa no haseho vahoaka anatin’ny «Kibay an-kelika ihany» fa dia ezahana hoentina imasom-bahoaka ihany koa ilay «Mpanao politika» malagasy malaza amin’ny fanasana atidoha sy ny fandresen-dahatra izay mety hiafara amin’ny fivarotana am-pitsanganana mihitsy aza. Hisongadina amin’izany ny fomba fitafy, fiteny, fihetsik’izy ireo rehefa hambabo ny fo amam-panahin’ireo Vahoaka mihaino azy izy ireo. Seho hiavaka tokoa ny «Kibay an-kelika ihany» noho izy sady hanala voly no hitondra fampieritreretana lalina ho an’ny rehetra anatin’izao vanim-potoana mahavalalanina ny maro lalovan’i Gasikara izao. Sarobabay izay voa aza tezitra e!!!!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.