Tsy nisy nipika ny entana rehetra tao an-trano nefa renim-pianakaviana iray filohan’ny mpanolotsain’ny kaominina any Kianjavato,
distrikan’i Mananjary no maty novonoin’olon-tsy fantatra tamin’ny fomba feno habibiana. Ny zoma misandratr’andro teo no nahitana ny vatana mangatsiakany nihoson-dra tao an-trano fonenany tao Ambohipierenana, fokontany Ambodibonara. Araka ny vaovao voaray, nampiahiahy ny mpifanolo-bodirindrina teo an-tanàna ny fahitana ny tranon’ity ramatoa ity tsy mbola nivoha kanefa efa antoandro ny andro. Tsy fanaony anefa izany. Nanapa-kevitra ny mpiray tanàna fa hovohaina ny trano kanjo faty feno ratra tanteraka ny vatany iray manontolo no hitan’izy ireo tao, ary nisy tamin’ny taova taminy ihany koa no noesorin’ireo olon-dratsy, ka nivarahontsana izay rehetra nahita ny razana. Mandeha ny famotorana sy ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.