Actualités

Kianjan’ny Demokrasia Nakaton’ny CUA


  • Alarobia 23 Mey 2012

Nahaton’ny Filankevitra monisipaly eto amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) vonjimaika, ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny maha Kianjan’ny demokrasia ny eo Ambohijatovo.

 Nanamafy ny teny amin’ny prefektiora fa nanara-dalana tsara ny nanatanterahana ny fifidianana mikasika izany, omaly maraina. Noho izany dia karazan’ny foana sy tsy misy intsony ny Kianjan’ny demokrasia. Niezaka ny naka fanazavana teny amin’ny Lapan’ny tanàna moa ny Vondron’ny mpanohitra tarihan’i Lalatiana Ravololomanana, omaly maraina ihany saingy efa mazava ny resaka ary tsy hiverina amin’ny fanapahan-keviny ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Nandroso hevitra ny amin’ny afaka hampiasana ny tany menabe eny Andohatapenaka mba atao Kianjan’ny demokrasia vonjimaika moa ny Kaominna, saingy tsy nanaiky izany ny mpanohitra noho ilay toerana lavitra loatra.

Mikatona tanteraka amin’ny fomba ofisialy ho an’ny fihetsiketsehana politika izany manomboka izao ny Kianjan’Ambohijatovo, ary vantany vao misy ny fivorivoriana na fitangoronana eo amin’ny manodidina azy dia hihetsika avy hatrany ny mpitandro ny filaminana hanaparitaka ny olona sy hisambotra ny mpitarika sy ireo izay ambara fa manakorontana. Izy ireo rahateo efa nahazo fankasitrahana sy fankaherezana tamin’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita, koa azo antoka fa tena tsy hitsitsy intsony ny Emmo-reg. Amin’ity anio ity anefa dia manan-kevitra ny hidina an-dalambe ka ho eny Ambohijatovo ny mpanohitra, koa dia tsy maintsy hirefotra indray izany ny lakrimozena e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT