Efa fefy fanitso sy vavahady mihidy amin’ny rojo vy no novantanin’ireo tanora saika hikotrana sy hilalao baolina teny amin’ny kianjan’ny 80 lahy Ambatobe omaly maraina.
Tonga mialohan’izy ireo teny an-toerana ny vaditany ny Maitre Alain Rakotonirina sy ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny emmo reg hanatanteraka ny didim-pitsarana. Resy teny amin’ny fitsarana mantsy ireo mponina nangataka ny hampitsaharana ny fakàn’ny mpandraharaha iray io tany io. Tezitra noho izao tranga izao ireo mponina. Tsy rariny satria efa 40 taona no nanajarianay sy nikolokoloanay ary nampiasanay io tany io, ilain’ny tanora rahateo ny kianja ka tokony mba handinika tsara ihany ny fitondram-panjakana. Mampiahiahy ihany koa, hoy ireto mponina eny Ambatobe ireto ny nisamborana sy nanagadrana ny mpitarika azy ireo dia ny prezida Njaka miaraka amin’ny fianakaviany satria nampangaina fa hoe nangalatra Motona mpitsara. Ny sabotsy lasa teo izy no nalefa eny Antanimora, dia izao talata vao maraina izao dia nofefena ny kianja. Manome 48 ora ireo manampahefana mba hamotsorana an’i prezida Njaka izahay, hoy ireo mponina eny an-toerana fa efa tena tsy rariny izao. Efa natomboka avy hatrany moa ny asa fanamboarana fotodrafitrasa ao anatin’ity kianja nofefena ity omaly maraina ihany. Ahiana hafampana indray izany manomboka izao ity resaka kianjan’ny 80 lahy ity satria milaza ny tsy hilefitra ny mponina eny an-toerana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.