Actualités

Kianjan’ny 13 mey Nokosehin’ny tetezamita


  • Alatsinainy 14 Mey 2012

Izaho dia malahelo amin’ny nanaovana an’io kianjan’ny 13 mey io ankehitriny, hoy i Alain Ramaroson.

 Ny any andafy anefa, raha tsy hiresaka afa-tsy ny kianjan’i La Bastille (Frantsa) fotsiny isika, efa tamin’ny taona 1789 nefa teo no nandehanan’ny filoha François Hollande voalohany. Ataon’ny olona tsangambato lehibe fahatsiarovana ny azy ny fangatahana ny fialan’ny mpanjaka sy ny fanagadrana tsy an-drariny. Ny antsika kosa nokosehina sahady ny fahatsiarovana ny nandatsahan-dra an’ireo tanora malagasy. Tsy maintsy apetraka ny fahatsiarovana fa manadino ny tantara isika raha tsy manao izany, hoy izy.

Ny fahatsiarovana an’io Kianjan’ny 13 mey io, tsy hoe fanakorontanana na fanaovana izao na izatsy, fa misy fotoana izany mba tena mieritreritra ny mpiray tanindrazana rehetra fa hoe misy tena hetaheta fiovana tanteraka. Ka rehefa mahatsapa fa tsy ho lasa intsony ny fitantanana ny fitondram-panjakana, ary rehefa nambanana, natao daholo izay antso avo ary matetika ny hambom-po diso toeran’ny mpitondra dia tonga ireny 13 mey ireny. Fifampiraharahana no nandrasana nefa fandroahana sy teny an’avona no azo ka dia tonga ho ay ny tolona. Niombonan’ny Me Willy Razafinjatovo na i Olala ity fandavana ny fanovana ny tantara natao etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ity ka nandravana ny tsangambato napetraky ny Fikambanana 13 mey tarihiny tamin’ny fanamarihana ny faha-30 taonan’iny tolona malaza iny, mainka moa fa nofefena ihany koa ilay toerana. Omaly alahady 13 mey 2012, 40 taona aty aoriana dia teo amin’ny fefy vy sisa no mba nametrahan’ny mpitolona mpitaky ny ara-dalàna nahitana ny ankolafy Ravalomanana sy ankolafy Zafy Albert ny voninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny fotoanandrony.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT