Niteraka resabe teny Mandrosoa Ilafy ilay ady tany mikasika kianja 80 lahy eny an-toerana.
Nanazava mahakasika ny maha ara-dalàna ny taratasy momba ny tany ny ben'ny tanànan'Ankadikely-Ilafy Andriamanganoro Georges omaly. Nambarany fa ara-dalàna avokoa ny taratasy rehetra tonga eo am-pelatanany, toy ny “certificat de situation juridique”, ny fahazoan-dalana hanorina tamboho araka fangatahana nataon'ny tompon'ny tany, teny amin'ny sampandraharaham-paritry ny fanajariana ny tany eto Analamanga. Toraka izany koa ny “plan d'alignement” mamaritra ny tany nomen'io sampandraharaha io azy ary ny taratasy fanamarinana avy any amin'ny kaominina. Tsy afaka hanakana ny tompon'ny tany amin'ny fanorenana hataony ny kaominina noho izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy. Miantso ireo tanora izy mba hanao ny fifampidinihana. Ny tenany no hanao ny fanelanelanana eo amin'ny tompon'ny tany sy ireo tanora mpilalao eo amin'io kianja io, izay manakana ny tompon-tany amin'ny famefena ny kianja. Nilaza ny ben'ny tanàna fa vonona hitady vahaolana ho an'ireo tanora ireo amin'ny hitadiavana toerana ahafahan'izy ireo milalao indray, izay ao anatin'ny kaominina ihany. Marihina moa fa mirefy 63a 03sa ity kianjan’ny 80 lahy ity, manana ny titra laharana 7181-BAV ao Mandrosoa Ilafy, an’ny orinasa "Lotus Immobilier".
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.