Ny tsy fahalavorarian’ny lalŕm-pifidianana no nahatonga hatrany ny tsy fanekena ireo voka-pifidianana nisy teto Madagasikara, hoy ny Komitim-pirenena manara-maso ny fifidianana. Manana andraikitra ny KMF/CNOE amin’ny fanolorana volavolan-kevitra ho fanatsarana ny lalŕna mifehy azy ity.
Efa vita tokoa ireo fifidianana hivoahantsika amin’ny krizy tamin’ny alalan’ny fanehoan’ny olom-pirenena ny safidiny izay ho filohan’ny Repoblika sy ireo mpikambana mandrafitra ny Antenimieram-pirenena. Nanamarika anefa ny KMF/CNOE fa mbola hiatrika fifidianana roa karazana ny vahoaka Malagasy amin’ity taona 2014 ity dia ny fifidianana fitantanana ny tanàna sy ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona. Mba hialana amin’ireo fahadisoana nitranga nandritra ny fandatsaham-bato tamin’ny taona 2013 dia nanapa-kevitra ny komity ny hikarakara fikaonan-doha momba ny tontolon’ny fifidianana eto Madagasikara. Izany indrindra no antom-pisian’ny atrikasa izay notanterahana teny Antanimena foiben-toeran’ity fiarahamonim-pirenena ity ny faran’ny herinandro lasa teo. Nangonina nandritra io fotoana io ireo soso-kevitra marobe avy amin’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fifidianana toy ny mpikarakara ahitana ny CENI-T sy ny minisiteran’ny Atitany ary ireo fikambanana fiaraha-monim-pirenena samihafa. Hisy ny fandravonana ireo hevitra rehetra voangona ka horaisin’ny KMF/CNOE ny fanolorana izany eo anatrehan’ireo fahefana mahefa mba hanovana io volavolan-kevitra io ho lasa volavolan-dalàna entina eny amin’ny Antenimieram-pirenena mialoha ny hirosoana amin’ireo fifidianana ho avy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.