Mifanipy andraikitra ireo sampan-draharaha tompon’andraikitra samihafa. Raha
ireny no jerena dia samy tsisy tomponan’andraikitra ve izany ny PAF, doany, ACM,…? Hoy i Ketakandriana Rafitoson avy amin’ny Amnesty International mikasika ilay raharaha trafikam-bolamena 73,5 kg. Tsy misy hoe tsy nisy nahita tamin’ny làlana nizorana rehetra amin’ny maha “circuit” azy, izany hoe mandalo toerana sy sampan-draharaha samihafa. Tafiditra ao anatin’ny “crime organisée” na firaisana tsikombakomba amina fanaovana ratsy io, hoy ny Amnesty International. Efa ratsy be ny naotintsika amin’ny resaka fanondranana, indrindra amin’ireo zavatra ara-tontolo iainana. Efa tafiditra tany anatin’ny dosie Panama Papers, ary fomba fanadiovana sy famotsiam-bola io resaka trafikana volamena io, izay manarena izao tontolo izao. Ankoatra ny fanadihadian’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo sy ny Polisy iraisam-pirenena, dia tokony tena mandray andraikitra feno ny Fanjakana Malagasy. Tokony ho fantatra sy ho faizina ny tena tao ambadika, ary tokony ho fantatry ny daholobe ny tohiny. Firifiry afera maloto goavana na “sacandale” izay tsy hita ny tohiny ao anatin’ny roa na telo volana ka tokony tsy ho toy izany intsony, hoy ny fanamarihan’ny Amnesty International.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.