Manan-danja lavitra noho ny omby ny sokatra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.
Izy mantsy no biby ela velona indrindra maneran-tany satria mahatratra 120 taona vao maty. Azo hanasitranana aretina maro ihany koa izy no sady hangatahin’ireo mponina any Mahafaly, Androy…. fitahiana ankoatra ny fitondrany ranon’orana. Rehefa manoaka mantsy ny sokatra any Atsimo any na miakatra an-tanana dia manambara izay fa hilatsaka ny ranon’orana hoy Atoa Mahefa Romain, Lazakoaby Velontsoa ary Mahafaly Tsilavo mponina avy any Atsimo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo ny sabotsy teo. Ankehitriny anefa hoy izy ireo dia tapitra haondrana any ivelany sy hazaina ny sokatra hany ka voaota fady ny faritra Atsimo antony mampahazo vahana ny kere. Lasa maina tanteraka ny tany hoy izy ireo ahiana mafy ny ain’ny taranaka faramandimby koa manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo ny hanamafisana ny fiarovana ireo biby manan-kasina ireny. Notsiahivin’izy ireo moa fa izay tratra mamono na manondrana sokatra any an-toerana dia tsy milevina am-pasan-drazana no sady tsy azo hakana taranaka raha vehivavy. Efa nisy ihany koa ilay dinabe napetraka izay handoavana lamandy 1 ka hatramin’ny 2 tapitrisa Ar saingy tsy vola no tena tadiavinay hoy izy ireo fa ny mba hahafahana manafay tanteraka ireo mpihaza sy mpanondrana mba tsy hanao izany asa ratsy izany intsony. Efa nisy moa ireo olona tratra ka nampanaovina ala faditra toy ny famonoana omby.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.