Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny tetezana Androhibe, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mahatsinjo omaly maraina.
Zazakely vao 9 taona monja no nohanin’ny voay ka maty tsy tsa-drano. Raha araka ny vaovao azo dia nirahina nandeha naka rano ity zaza tsy manan-tsiny ity. Nandritra izany anefa no nisamboran’ny voay azy ka ny vatany no azon’ilay biby voalohany. Nahitana izany ny fokonolona ka niroso avy hatrany tamin’ny fanavotana ilay zaza saingy efa tsy nisy aina intsony izy. Avy hatrany dia novonoina ihany koa ilay voay mba tsy sanatria hampidi-doza ankizy hafa intsony. Anatra ho an’ireo Ray aman-dReny maniraka ankizy matsaka rano amin’ny toerana misy voay ity tranga ity. Ny rano mantsy mbola azo tadiavina fa ny aina tsy azo tadiavina rehefa indray mandeha lasa.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.