Actualités

Karinem-pokontany Tsy nisy tohiny ilay manara-penitra kitoatoa


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Somary nanaitra ny fisiana karinem-pokontany misy soratra hoe: “circonscription” any Toamasina,

 izay tsy fantatra mazava hoe io ve izany no hasolo ny hoe faritany na “province”? Fahadisoana sa tsy fahaizana sa finiavana vaovao, toy ny nanovana ny Lehiben’ny Faritra ho governora na itsy voalohany aza no voasoratra ao anaty lalàmpanorenana? Iny eo ihany fa mbola baraingo hatramin’izao ny “digitalisation” nambara ny 08 aprily fa hovitaina ao anatin’ny 10 andro. Nolazaina tamin’io, fa hahazo “carte magnétique” ny olona, ary hizarana solosaina ny isam-pokontany. 8 volana latsaka kely aty aoriana tsy nisy tohiny. Eo ihany koa ny momba ny karinem-pokontany manara-penitra noresahina ny 09 aogositra, saingy mbola tsy hita izay tena vokany. Noresahina fa efa nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena ny resaka fanisana sy fakana antontam-baovao momba ny vahoaka, saingy nijanona ho resaka ambony latabatra. Izao indray dia voalaza fa hiditra amina “digitalisation” ho an’ny karapanondro isika, ary orinasan-dRtoa Stéphanie Delmotte Talen’ny kabinetra sivily teo aloha teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no voalaza fa hanao izany. Asa indray aloha izay ho fandehan’io, fa efa betsaka izay nolazaina izay, saingy tsy hit any tohiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT