Nohamafisin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra
noraisin’ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly alarobia 13 janoary 2020 fa tsy maintsy manana karinem-pokontany ny tokantrano rehetra manerana an’i Madagasikara rehefa manao raharaha ara-panjakana hahafahana mandrindra sy mandamina ary mamaly ny filàn’ny mponina indrindra eny aminy biraom-panjakana. Hivoaka mialoha ny faran’ny volana ny ampahany amin’ny karinem-pokontany vaovao. Hisy ireo fokontany “pilotes” hanombohana izany ao anatin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Fiaraha-miasa eo anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika na ny PREA, ny kaominina sy ny ministeran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ireo ministera isan-tokony izay nifandrimbona nanao ny fanisana isan-tokantrano ny taona lasa no hoentina manatanteraka izany.Ny volana aogositra 2020 moa no nanambaran’ny filoham-pirenena fa hirosoana ny fametrahana karnem-pokontany manara-penitra sy misy QR code, enim-bolana aty aoriana izany dia atomboka amin’izay ilay izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.